INTRO
Ô vonjeo re e rey olona ô (x2)
Loza be re ‘ty manjo
Ô vonjeo re e rey olona ô
Vonjeo re - vonjeo re
Ry
vahoaka ambani-lanitra ô (x2)
Faingana re ianareo
Faingana re ianareo
Volanoro ho aho - kàrana re
REPONSE
A
Fa inona no niseo
Volanoro hoe vonjeo
COUPLET 1
Raha nilalao tkaikin’ity harambato
Izahay rehetra dia falifaly ery
Fangalam-piery, tanisa ary koa “tso-bato”
Kindriandriana n’somebisebi-kery
REPONSE
B
Fa avy aiza ‘zato ianao
N’torak’hovitra toa izao
COUPLET
2
Nitsiriritra ireto voankazo matoy
Antendro-karana ‘zay mijoalajoala
Dia lasa nihanika tsy nisalasala re roy
Tsy nisaina akory ny hantsana mety hamono
PONT
1
F’inona re ‘ty loza be fa tena mijoalajoala re
‘Ty vatolampy rakofan’ny vahy
M’savorovoro aok’izany ry lahy
Nahoana re ‘nareo rankizy no mikitoatoa toa izao
Ny tevam-be izay manaty ao ambany
Tsy fantatrareo tsiakory re izany
REPONSE
C
Hatraharo ny tomany
Hambarao ‘zay niseho tany
REPRISE
COUPLET 2
Nitsiriritra………………………
PONT 2
Inona sy inona no atao mba hamonjena anao
‘Reto vahy nirodana daholo, ka voto sola no sisa nisolo
Ny ankizy’zay maratra aok’izany
No indreo mivalampatra, mivara-ontsana
‘Mpararetra, mitomany daholo
REPONSE
D
Tsy hita izay haleha
Etsy aloha ianao mandeha
REPRISE
COUPLET 1
Raha nilalao……………………
|